Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.
1Tantara 21:28 - DIEM PROTESTANTA Nony hitan’i Davida namaly vavaka azy ny TOMPO teo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita, dia nanjary nanolotra sorona teo izy isaky ny fotoanandro sahaza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa novalin’NY TOMPO teo amin’ny famoloan’i Ornana jebosita izy dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony hitan’i Davida namaly vavaka azy ny TOMPO teo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita, dia nanjary nanolotra sorona teo izy isaky ny fotoanandro sahaza. Baiboly Katolika Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa nihaino azy i Iaveh tao amin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina, dia nanatitra sorona tao izy. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa novalian’i Jehovah teo amin’ny famoloan’i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy. Malagasy Bible Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy. La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa novalin’NY TOMPO teo amin’ny famoloan’i Ornana jebosita izy dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy. |
Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.
Tamin’izay ny tranolain’ny TOMPO (tranolay nataon’i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin’ny Toeramasina tao Gibehôna;