1Tantara 21:20 - DIEM PROTESTANTA I Araonà dia nively vary tamin’izay. Ary niherika izy ka nahita an’ilay anjely; ny zanany efa-dahy izay niaraka taminy kosa dia lasa niery. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niherika i Ornana ka nahita ilay Anjely; ny zanany efa-dahy izay teo aminy tamin’io dia lasa niery. I Ornana tamin’izay dia nanosihosy vary tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Araonà dia nively vary tamin’izay. Ary niherika izy ka nahita an’ilay anjely; ny zanany efa-dahy izay niaraka taminy kosa dia lasa niery. Baiboly Katolika Niherika i Ornàna ka nahita ilay Anjely dia niery izy sy ireo zanany efa-dahy; nively vary tamin’izay i Ornàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin’izay. Malagasy Bible Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin'izay. La Bible en Malgache Ary niherika i Ornana ka nahita ilay Anjely; ny zanany efa-dahy izay teo aminy tamin’io dia lasa niery. I Ornana tamin’izay dia nanosihosy vary tao. |
Ary nanatona an’i Araonà i Davida; vao nijery kosa i Araonà ka nahita an’i Davida, dia niala teo amin’ny famoloana ka nihohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.
Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjelin’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita.