Aza aely any Gata izany vaovao izany na torina eny an-dalamben’i Askelôna, fandrao hifalian’ny vehivavin’ny Filistinina na hibitahan’ny tovovavin’ny mpanompo sampy.
1Tantara 18:1 - DIEM PROTESTANTA Taorian’izany, dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampilefitra azy ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Gata sy ireo tanàna kely manodidina azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Taorianan’izany dia nandresy ny Filistina i Davida ka nampietry azy, ary i Gata sy ny vohitra miankina aminy dia nesoriny tamin’ny tanan’ny Filistina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany, dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampilefitra azy ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Gata sy ireo tanàna kely manodidina azy. Baiboly Katolika Tatỳ aorian’izany, nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Geta mbamin’ny tanàna momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin’ny tànan’ny Filistina. Malagasy Bible Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina. La Bible en Malgache Taorianan’izany dia nandresy ny Filistina i Davida ka nampietry azy, ary i Gata sy ny vohitra miankina aminy dia nesoriny tamin’ny tanan’ny Filistina. |
Aza aely any Gata izany vaovao izany na torina eny an-dalamben’i Askelôna, fandrao hifalian’ny vehivavin’ny Filistinina na hibitahan’ny tovovavin’ny mpanompo sampy.
Koa dia ho sitrakao ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao; satria raha Ianao no mitahy, TOMPO ô, dia ho voatahy mandrakizay izy.
Nandresy ny Môabita koa izy; dia tonga olom-pehezin’i Davida ireo sady mpandoa hetra ho azy.
Rehefa ren’i Saoly fa nandositra any Gata i Davida, dia nijanona tsy nitady azy intsony izy.
Dia nampiantso ireo andriana dimy filohan’ny Filistinina izy ireo mba hivory any aminy ka nanontany azy hoe: –Hataonay ahoana ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely? Dia hoy ireo filoha taminy: –Aoka hafindra hankany Gata izany! Dia nafindra nankany Gata ilay Vatamasina;
Ary ireo tanàna izay nalain’ny Filistinina tamin’ny Israelita, teo anelanelan’i Hekrôna sy Gata, dia tafaverina soa aman-tsara tamin’ny Israelita; koa afaka teo an-tanan’ny Filistinina izany faritra izany. Ary dia nisy koa ny fandriampahalemana teo amin’ny Israelita sy ny Amôrita.