TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao.
1Tantara 17:20 - DIEM PROTESTANTA TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay. Baiboly Katolika Tsy misy mitovy aminao, ry Iaveh, ary tsy misy Andriamanitra hafa hafa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay. Malagasy Bible Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay. La Bible en Malgache TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay. |
TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao.
Ary iza moa no firenena hafa eto ambonin’ny tany tahaka ny Israely vahoakanao, ka nandehananao Andriamanitra mba havotanao ho vahoakanao? Eny, nampalaza Anao ireo zava-mahagaga sy mahatahotra vitanao mba handroahanao ny firenena hafa tsy ho eo anatrehan’ny vahoakanao izay navotanao avy tany Ejipta.
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra.
TOMPO ô, aoka hidera Anao ny anjely any an-danitra noho izany zava-mahagaga nataonao izany; aoka hidera Anao ireo amin’ny fivoriany, indrindra koa noho ny toetranao mahatoky!
Fa Andriamanitra mampitolagaga Ianao eo amin’ny fivorian’ny anjely, ka lehibe sy hajaina kokoa noho ireo rehetra manodidina Anao.
TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?
Fantatro izao fa ny TOMPO dia lehibe mihoatra noho ny andriamanitra hafa rehetra; ny zavatra izay nataony rehefa nisetrasetra taminareo ny Ejiptianina no nanehoany izany.
Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin’ny tany.
«Koa hampitovînareo amin’iza Aho ary hoharinareo amin’iza, hoy ilay Andriamanitra masina?»
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ianareo vahoakako no vavolombeloko, ianareo no mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy; talohako dia tsy nisy Andriamanitra ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.
Izao no lazain’ny TOMPO dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Mpanjakan’i Israely sy Mpanavotra azy: «Izaho no voalohany ary Izaho no farany, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin’ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.
Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Nampisikiniko hery ianao hiasa na dia tsy mahalala Ahy akory aza,
Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra teo ankavanan’i Mosesy, ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloan’ny vahoakany mba hananany laza mandrakizay.
Ary ho an’Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,
«Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, vao nanehoanao ny fahalehibeazanao sy ny fiarovanao mahery aho mpanomponao. Fa, na any an-danitra na eto an-tany, aiza no misy andriamanitra mahay manao araka ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?
Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.
Ianareo no nampahitany an’izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy.
Koa aoka hoekenareo anio sy haraikitrareo ao am-ponareo fa ny TOMPO no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, sady tsy misy afa-tsy Izy.
tsy misy masina tahaka AZY, ary tsy misy vatolampy tahaka an’Andriamanitsika. Eny, Izy irery ihany no TOMPO.