Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.
1Tantara 16:27 - DIEM PROTESTANTA Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy, ary hery sy fifaliana no mameno ny fonenany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy, ary hery sy fifaliana no mameno ny fonenany. Baiboly Katolika fiandrianana amam-pamirapiratana no eo anatrehan’ny Tavany, ary hery aman-kafaliana no eo amin’ny fonenany. Baiboly Protestanta Malagasy Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany. Malagasy Bible Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany. La Bible en Malgache Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany. |
Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.
Ianareo fianakaviamben’ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.
Dia hoy indray i Hezrà tamin’ny vahoaka: –Ndeha mody ka manaova sakafo tsara sy misotroa zava-pisotro mamy, ary mba anatero anjara izay tsy nahavoatra; satria voatokana ho an’ny Tompontsika ity andro ity. Koa aza malahelo, fa ny hafaliana avy amin’ny TOMPO no herinareo.
Ampahafantarinao ahy ny lalana izay mankany amin’ny fiainana; hafaliana no manenika ahy eo anatrehanao, fahafinaretana mitohy no eo ankavananao.
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’i Davida.
Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy ary hery sy fiandrianana no mameno ny Toeramasiny.
Hitako fa namirapiratra tahaka ny vy mangirana izany endrika izany, sady toa voahodidina afo. Ary teo ambony sy teo ambanin’izay hoatra ny tehezany, dia tazako nisy toy ny afo nandrakotra hazavana azy.
Ray ô, tiako hiaraka amiko any amin’izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao.