Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 15:27 - DIEM PROTESTANTA

Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan’i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin’i Kenanià lehiben’ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon’ny mpisorona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanao akanjo vita amin’ny rongony fotsy madinika i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary ny mpihira sy i Kenania, tonian’ny fitondrana entana, mbamin’ny mpihira; nisalotra efoda rongony fotsy koa i Davida.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan’i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin’i Kenanià lehiben’ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon’ny mpisorona.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nitafy kapaoty bisosa i Davida; torak’izany koa ny Levita rehetra nitondra ny Fiara, ny mpihira ary i Koneniasa izay nitarika ny fitondrana ny Fiara, eo amin’ny mpihira; ary i Davida nitafy ny efôda rongony madinika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian’ny fitondrana, mbamin’ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian'ny fitondrana, mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanao akanjo vita amin’ny rongony fotsy madinika i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny vata misy ny Fanekena* ary ny mpihira sy i Kenania, tonian’ny fitondrana entana, mbamin’ny mpihira; nisalotra efoda* rongony fotsy koa i Davida.

Jereo ny toko



1Tantara 15:27
5 Rohy Ifampitohizana  

Nandihy araka ny heriny manontolo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida, izay efôda rongony fotsy ihany no nisalorany.


I Israely lafy valo no nampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ho any Jerosalema; ka tamin’ny horakora-pifaliana, ombàn’ny feon’anjombona aman-trompetra sy kipantsona miaraka amin’ny tendry valiha sy lokanga, no nampakarany azy.


sy zafin-dorian’i Ametsỳ, dia i Ametsỳ zanakalahin’i Banỳ sy zafin’i Semera


ny fitaratra sy ny akanjo somizo manify ary ny samboady sy ny lamba fisalobonana.


Fa i Samoela kely kosa nisalotra efôda rongony ka nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ny TOMPO.