Nony ren’ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida dia niakatra avokoa izy rehetra mba hambabo an’i Davida. Raha nahare izany koa i Davida, dia nidina nankao amin’ny fialofana mimanda.
1Tantara 11:16 - DIEM PROTESTANTA Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tao amin’ny manda fiarovana i Davida tamin’izay fa ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina. Baiboly Katolika Tao amin’ny trano mimanda i Davida tamin’izay ary nisy antoko-miaramilan’ny Filistinina tany Betlehema. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida dia tao amin’ny batery fiarovana tamin’izay, ary ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema. Malagasy Bible Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema. La Bible en Malgache Tao amin’ny manda fiarovana i Davida tamin’izay fa ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema. |
Nony ren’ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida dia niakatra avokoa izy rehetra mba hambabo an’i Davida. Raha nahare izany koa i Davida, dia nidina nankao amin’ny fialofana mimanda.
Tamin’izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: –Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin’ilay fantsakana eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema?
Rehefa izany dia ho tonga ao Gibehà-Elôhima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin’ny Toeramasina, ka ialohavan’ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo.
Koa dia fantatry ny Israelita rehetra fa novonoin’i Saoly ho faty ny governora filistinina iray; ary nahatonga ny fahatezeran’ny Filistinina tamin’i Israely izany. Dia nivory nanaraka an’i Saoly tany Gilgala ny tafiny.
Niala avy teo i Davida, dia nandositra niery tao an-johin’i Hadolama. Raha nahafantatra izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nirohotra nankany aminy avokoa.
Dia nentin’i Davida teo anatrehan’ny mpanjakan’i Môaba izy ireo ka nipetraka tao aminy nandritra ny fotoana rehetra nialokalofan’i Davida tao amin’ny fiereny.
Indray andro dia hoy i Gada mpaminany tamin’i Davida: –Aza mijanona ao amin’ny fierenao fa mandehana miverina any amin’ny tanin’i Joda. Dia lasa i Davida ka nankany amin’ny alan’i Hereta.
Niainga i Saoly sy ny miaramilany hitady an’i Davida. Raha nandre izany i Davida, dia nitsontsorika nidina ny harambato ka nijanona tao amin’ny taniefitr’i Mahôna. Rehefa fantatr’i Saoly izany dia nanenjika an’i Davida hatrany koa izy.