ka hoy i Labàna taminy: –Marina tokoa fa havako ianao, ary iray ra amiko. Dia nipetraka iray volana tao aminy i Jakôba.
1Tantara 11:1 - DIEM PROTESTANTA Dia nivory teo amin’i Davida tao Hebrôna i Israely manontolo ka nanao hoe: –Indreto izahay havanao sy tapakao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nivory teo amin’i Davida tao Hebrona ny Israely rehetra ka niteny hoe: Indreto izahay fa taolanao sy nofonao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nivory teo amin’i Davida tao Hebrôna i Israely manontolo ka nanao hoe: –Indreto izahay havanao sy tapakao. Baiboly Katolika Ary nivory teo amin’i Davida tany Hebrôna i Israely rehetra nanao hoe: «Indro fa taolanao sy nofonao izahay. Baiboly Protestanta Malagasy ARY dia nivory teo amin’i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao. Malagasy Bible Ary dia nivory teo amin'i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao. La Bible en Malgache Nivory teo amin’i Davida tao Hebrona ny Israely rehetra ka niteny hoe: Indreto izahay fa taolanao sy nofonao. |
ka hoy i Labàna taminy: –Marina tokoa fa havako ianao, ary iray ra amiko. Dia nipetraka iray volana tao aminy i Jakôba.
Naniraka olona tany amin’ny foko israelita rehetra izy hilaza hoe: «Raha vao renareo ny feon’ny anjomara, dia miantsoantsoa hoe: ‹Manjaka ao Hebrôna i Absalôma.› »
Taorian’izany dia nanontany ny TOMPO i Davida hoe: –Handeha ho any amin’ny tanàna iray any Joda ve aho? Ka novalian’ny TOMPO hoe: –Eny, mandehana! Dia hoy indray i Davida: –Aiza no handehanako? Ka hoy ny TOMPO hoe: –Any Hebrôna.
Naharitra efapolo taona no nanjakàn’i Davida tamin’i Israely, ka fito taona tao Hebrôna ary telo amby telopolo taona tao Jerosalema.
Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.
Koa izay mpanjaka hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo ihany no tena hatsanganareo hifehy anareo; eo anivon’ny mpiray firenena aminareo no hangalanareo mpanjaka izay hatsanganareo hifehy anareo, fa tsy azonareo ekena hifehy anareo ny olona vahiny izay tsy mpiray firenena aminareo.
–Mba anontanio ny mponina rehetra eto Sekema ange izay mety aminy kokoa na ny hofehezin’ny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala, na ny hofehezin’ny olona iray ihany. Ary tsarovy fa izaho dia isan’ny fianakavianareo.