koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin’ny folo amin’ny firenen’Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;
Josoa 4:4 - Baiboly Protestanta Malagasy Dia nantsoin’i Josoa ny lehilahy roa ambin’ny folo, izay nofidiny tamin’ny Zanak’Isiraely, dia iray avy isam-pirenena, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nantsoin’i Josoa ny lehilahy roa amby folo izay nofidiny tamin’ny Zanak’Israely, iray avy isam-poko, DIEM PROTESTANTA Dia nantsoin’i Josoa izy 12 lahy voafidiny teo amin’ny Israelita Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nantsoin’i Josoa izy 12 lahy voafidiny teo amin’ny Israelita Baiboly Katolika Dia nantsoin’i Jôsoe ny lehilahy iray avy asam-pokony, Malagasy Bible Dia nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely dia iray avy isam-pirenena, La Bible en Malgache Dia nantsoin’i Josoa ny lehilahy roa amby folo izay nofidiny tamin’ny Zanak’Israely, iray avy isam-poko, |
koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin’ny folo amin’ny firenen’Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;
ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin’ny folo eo afovoan’i Jordana eo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin’izay handrianareo anio alina.
ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ny fiaran’i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan’i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony hianareo rehetra, araka ny isan’ny firenen’ny Zanak’Isiraely,