Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 2:2 - Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ny Zanak’Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ny Zanak’Israely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary ren’ny mpanjakan’i Jerikao fa misy Israelita tonga io alina io mba hitsikilo ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ren’ny mpanjakan’i Jerikao fa misy Israelita tonga io alina io mba hitsikilo ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nisy kosa nampandre izany tamin’ny mpanjakan’i Jerikô, nanao hoe: «Injao misy olona avy amin’ny zanak’i Israely, tonga alina atỳ hisafo ny tany.»

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ny Zanak’Israely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.

Jereo ny toko



Josoa 2:2
7 Rohy Ifampitohizana  

Fihirana fiakarana. Nataon’i Solomona. RAHA tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.


Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’i Jehovah.


Eny, hatramin’izany andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ny tànako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?


ARY Josoa, zanak’i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.


Dia naniraka tao amin’i Rahaba ny mpanjakan’i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.


Ary ny taranak’i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin’ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin’ny tany havoan’i Efraima tao an-tranon’i Mika izy, dia nandry tao.