Josoa 10:2 - Baiboly Protestanta Malagasy dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona, tahaka ny anankiray amin’ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny ny lehilahy rehetra teo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia raiki-tahotra indrindra izy satria tanàna lehibe i Gibeona, tahaka ny tanàn-dehibe iray ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka, sady lehibe noho Ay, ary nahery daholo ny lehilahy tao. DIEM PROTESTANTA Dia raiki-tahotra mafy ny mponina tao Jerosalema satria i Gibehôna dia tanàna lehibe noho i Hay sady tahaka ny anankiray amin’ireo tanàna misy andriana, ary lehilahy mahery fo avokoa no tao aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia raiki-tahotra mafy ny mponina tao Jerosalema satria i Gibehôna dia tanàna lehibe noho i Hay sady tahaka ny anankiray amin’ireo tanàna misy andriana, ary lehilahy mahery fo avokoa no tao aminy. Baiboly Katolika Dia raiki-tahotra mafy izy, satria i Gabaôna dia tanàna lehibe toy ny iray amin’ny tanànan’andriana, lehibe aza noho i Haia, sady lehilahy mahery avokoa ny ao aminy. Malagasy Bible dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo. La Bible en Malgache dia raiki-tahotra indrindra izy satria tanàna lehibe i Gibeona, tahaka ny tanàn-dehibe iray ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka, sady lehibe noho Ay, ary nahery daholo ny lehilahy tao. |
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
Dia ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa ny anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
ka hoy izy tamin’i Josoa: Efa natolotr’i Jehovah eo an-tànantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra antsika.
Dia namaly an’i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
Ary hoy Davida tamin’i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin’ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin’ny renivohitry ny fanjakana?