Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 1:16 - Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namaly an’i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namaly an’i Josoa ireo hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia namaly an’i Josoa ireo ka nanao hoe: –Hataonay avokoa izay rehetra andidianao anay ary halehanay avokoa na aiza na aiza anirahanao anay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namaly an’i Josoa ireo ka nanao hoe: –Hataonay avokoa izay rehetra andidianao anay ary halehanay avokoa na aiza na aiza anirahanao anay.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia namaly an’i Jôsoe izy ireo, ka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra nandidianao anay, ary halehanay avokoa izay rehetra hanirahanao anay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namaly an’i Josoa ireo hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.

Jereo ny toko



Josoa 1:16
10 Rohy Ifampitohizana  

Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:


Dia namaly ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain’i Jehovah tamin’ny mpanomponao no hataonay:


Ary Josoa, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Mosesy tànana izy; dia nihaino azy ny Zanak’Isiraely ka nanao araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.


Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo hianareo.


Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra,


mandra-panomen’i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen’i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin’ny taninareo hianareo ka handova azy, dia ilay nomen’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan’i Jordana.


Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy.