Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 1:11 - Baiboly Protestanta Malagasy

Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity hianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Andeha mamakivaky ny toby ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo fa raha afaka hateloana dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handray ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrareo ho lovanareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Ndeha mitety ny toby ka mandidia ny vahoaka hoe: «Manamboara vatsy ho anareo; fa, raha afaka telo andro, dia hiampita an’ity Jôrdàna ity ianareo mba hiditra haka ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo».

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Ndeha mitety ny toby ka mandidia ny vahoaka hoe: «Manamboara vatsy ho anareo; fa, raha afaka telo andro, dia hiampita an’ity Jôrdàna ity ianareo mba hiditra haka ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo».

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Manomàna vatsy ianareo, fa raha afaka hateloana dia hita an’ity Jordany ity ianareo, handeha haka ny tany omen’Andriamanitrareo ho fanananareo.»

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Andeha mamakivaky ny toby ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo fa raha afaka hateloana dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handray ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrareo ho lovanareo.

Jereo ny toko



Josoa 1:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Miverena, ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon’i Jehovah hianao.


ary aoka samy hiomana ho amin’ny andro fahatelo izy; fa amin’ny andro fahatelo no hidinan’i Jehovah ho eo imason’ny olona rehetra eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay.


Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika.


Fa hianareo efa handeha hita an’i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy hianareo ka honina eo;


Ary nandidy anareo tamin’izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan’ny Zanak’Isiraely rahalahinareo hianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.


MIHAINOA, ry Isiraely ô: hianao izao dia efa hita an’i Jordana hiditra eo amin’ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho hianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy mànda manakatra ny lanitra,


Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:


Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity hianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’Isiraely.


Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy