Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 8:7 - Baiboly Katolika

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, mamonjy ny oloko avy any amin’ny tany atsinanana sy avy any amin’ny tany andrefana Aho;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia mampanantena fa ny vahoakako voaeliko dia hovonjeko avy any atsinanana sy avy any andrefana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia mampanantena fa ny vahoakako voaeliko dia hovonjeko avy any atsinanana sy avy any andrefana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ny tany atsinanana sy amin’ny tany andrefana Aho;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, mamonjy ny oloko avy any amin’ny tany atsinanana sy avy any amin’ny tany andrefana Aho;

Jereo ny toko



Zakaria 8:7
21 Rohy Ifampitohizana  

nefa raha miverina amiko ianareo, ka mitandrina ny didiko sy manaraka azy, na dia efa any am-paravodilanitra aza ny voasesitany aminareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho eo amin’ny fitoeram-boafidiko hamponenako ny Anarako.


Hoderaina anie ny Anaran’i Iaveh, hatreo amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatreo amin’ny filentehany.


Manangana an’i Jerosalema indray i Iaveh, angoniny ireo tafaely avy tamin’i Israely.


Salamon’i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany.


Indreo ny sasany avy lavitra, indreo ny sasany avy any avaratra sy avy any andrefana, ary indreo koa ireo avy any amin’ny tanin’ny Sinima.


Dia hatahorany hatrany andrefana ny Anaran’i Iaveh, ary hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro, ny voninahiny; fa ny fiaviny ho toy ny ony maria, hampandehanan’ny fofon’ain’i Iaveh.


Indro Aho mamerina azy avy any amin’ny tany avaratra; manangana azy avy any amin’ny faran’ny tany. Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza; hanao dia be izy ireo no hiverina atỳ.


Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Hangoniko avy any amin’ny firenena ianao; hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo ianareo; ary homeko anareo ny tanin’i Israely.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ny helokareo rehetra, dia haveriko ho amin’ny tanànany ny mponina ao aminy, ary ny efa rava haorina indray.


Hohatanjahiko ny taranak’i Jodà, ary hovonjeko ny taranak’i Josefa; hanangana azy indray Aho, fa mangoraka azy ireo; ary ho toy ny tsy nariako akory izy, fa i Iaveh Andriamaniny Aho, ka hihaino azy ireo.


Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.


i Iaveh Andriamanitrao kosa hampody izay babo aminao sy hamindra fo aminao. Hangoniny avy amin’ny firenena nanelezan’i Iaveh anao indray ianao.