Hiantso sabatra hamely azy eny amin’ny tendrombohitra rehetra eny Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - ka samy hamotitra ny sabany hamely ny rahalahiny avy izy.
Zakaria 14:13 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: Avy amin’i Iaveh no hisian’ny fikorontanana lehibe eo amin’izy ireo, ka samy hisambotra ny tanan’ny rahalahiny avy ny olona, sady hanainga tanana hamely ny namany avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany NY TOMPO dia hahatonga fifanaritahana lehibe eo aminy, ary hifampihazona izy, sady samy hanainga tanana hifamely. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany dia hasian’ny Tompo fifanjevoana tsy hifankahitana ao aminy, fa samy hanainga tanana hifamely izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany dia hasian’ny Tompo fifanjevoana tsy hifankahitana ao aminy, fa samy hanainga tanana hifamely izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin’i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tànana izy, sady samy hanainga tànana hifamely. Malagasy Bible Ary amin'izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin'i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely. La Bible en Malgache Amin’izany andro izany NY TOMPO dia hahatonga fifanaritahana lehibe eo aminy, ary hifampihazona izy, sady samy hanainga tanana hifamely. |
Hiantso sabatra hamely azy eny amin’ny tendrombohitra rehetra eny Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - ka samy hamotitra ny sabany hamely ny rahalahiny avy izy.
Fa tsy hitsitsy ny mponina amin’ny tany intsony Aho, - teny marin’i Iaveh - indro Aho hanolotra ny lehilahy samy ho eo an-tanan’ny namany avy, sy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy, ka handrava ny tany ireo, nefa tsy hanafaka amin’ny tanan’ireo Aho.»
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - hataoko azon’ny fahatahorana mafy ny soavaly rehetra, ary azon’ny fahaverezan-kevitra ny mpitaingina azy; ny taranak’i Jodà, hisokafan’ny masoko; fa ny soavalin’ny firenena kosa, hasiako fanjambana avokoa.
I Jodà koa hiady amin’i Jerosalema. Ary ho voaangona ny harena amin’ny firenena rehetra manodidina, dia volamena sy volafotsy, ary fitafiana be dia be.
Izy telon-jato lahy moa nitsoka ny trômpetra; I Iaveh kosa nampifamely sabatra ny Madianita sy ny tao an-toby rehetra. Nandositra ny toby hatrany Bety-Seta mankany Sarera ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Abela-Mehôla akaikin’i Tebata.