Tôbita 9:6 - Baiboly Katolika Dia naka efa-dahy tamin’ny mpanompon-dRagoela i Rafaely, sy rameva roa, ka nankany Ragesa, tanànan’ny Meda. Nony nahita an’i Gabelosa izy, naveriny taminy ny taratasiny dia noraisiny avokoa ny vola; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vao maraina be no niara-niainga izy rehetra ary nankany amin’ny lanonana fampakaram-bady. Rehefa tonga tao amin’i Ragoela ireto mpandeha, dia nahita an’i Tôbià efa eo am-pisakafoana. Fa nitsangana faingana i Tôbià mba hiarahaba an’i Gabaela; ka sady nitomany i Gabaela no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: –Olom-banona ianao sady nateraky ny lehilahy olom-banona sy mpandala ny rariny ary mpanao fiantrana! Homen’ny Tompo tsodrano avy any an-danitra anie ny tenanao sy ny vadinao ary ny ray aman-drenin’ny vadinao! Ankalazaina Andriamanitra, satria nataony hitako i Tôbià havako, izay mitovy amin-drainy mihitsy. |