Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana.
Ianao no nanao an’i Adama ary nanao mpanampy sy mpanohana ho azy, dia i Eva vadiny; ka izy roroa no nipoiran’ny taranak’olombelona. Ianao no nilaza hoe: Tsy tsara raha irery ny lehilahy, aoka izy hanaovantsika mpanampy mitovy endrika aminy!