Tôbita 8:4 - Baiboly Katolika Ary i Tobia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: «Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin’Andriamanitra isika anio sy ampitso ary rahafakampitso; Andriamanitra no iraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rehefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namela an’i Tôbià tao an’efitrano i Ragoela mivady ary nanidy ny varavarana. I Tôbià kosa nitsangana niala teo am-parafara ka niteny tamin’i Sarà hoe: –Mitsangàna, ry vady malalako, fa hivavaka isika ary hitalaho amin’ilay Tompontsika mba hamindrany fo sy harovany. |