Tôbita 8:19 - Baiboly Katolika Efa niantra ireo zanaka samy tokana Ianao, ka ataovy mitombo fisaorana Anao hatrany izy ireo, sy hanolotra sorom-piderana aminao noho ny niarovana azy, ary hahafantaran’ny firenena rehetra fa Ianao no Andriamanitra amin’ny tany rehetra.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nilazan’i Ragoela ny vadiny mba hanao mofo betsaka. Ny tenany kosa nandeha tany amin’ny andiam-biby fiompiny, ka naka omby roa sy ondrilahy efatra teo ary nampanamboatra azy handrahoina. Dia nanomboka ny fanomanan-danonana. |