Faly sy nankalaza an’Andriamanitra tamim-peo avo i Tôbià no niditra tao an-trano. Notantarainy tamin-drainy ny zava-drehetra: tomombana tsara ny dia, azony ny vola, ary nanambady an’i Sarà zanakavavin’i Ragoela izy. Sady nampiany hoe: –Indro fa tonga ao izy, efa eo akaikin’ny vavahadin’i Ninive.