Tôbita 11:14 - Baiboly Katolika Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy, dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody nanomboka niala avy ao amin’ny masony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nampian’i Tôbita hoe: –Hankalazaina anie Andriamanitra! Hankalazaina anie ny anarany be voninahitra! Hankalazaina anie ireo anjeliny masina rehetra! Enga anie hiaro antsika hatrany ny anarany be voninahitra! Hankalazaina amin’ny taona rehetra anie ireo anjeliny masina rehetra! Nanome fitsapana ahy Izy, fa indro aho afa-mahita indray an’i Tôbià zanako. |