Tôbita 10:7 - Baiboly Katolika Tsy azo nampanginina anefa ravehivavy; mivoaka ny trano izy isan’andro izao, mijery atsỳ sy arỳ, mankamin’ny lalana rehetra izay azo ampoizina hiverenany, mba hahatazanany azy lavidavitra ahay raha azo atao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Hanà hoe: –Aza miteny amiko intsony ianao, ary aza mandainga amiko. Maty ny zanako! Isan’andro i Hanà dia dodona mivoaka ny trano mba hitazantazana ny lalana izay niaingan’i Tôbià, satria tsy nisy olona nitokiany intsony. Rehefa nilentika ny masoandro, vao izay izy no miditra an-trano ka nidradradradra sy nitomany mandritra ny alina manontolo sady tsy nahita tory. |