Tôbita 10:6 - Baiboly Katolika Ary hoy i Tobia taminy: «Aoka izay ny fitarainanao ary aza miahiahy, fa salama tsara ny zanatsika, sady olona tena mahatoky ilay nampandehanantsika hiaraka aminy iny.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa i Tôbita namaly azy: –Mangina ianao, ry vady malalako, aza manana ahiahy, fa salama tsara izy. Zavatra tsy nampoizina mihitsy no nianjady taminy. Sady ilay mpiara-dia aminy koa dia olona mahatoky, anisan’ireo mpiray firenena amintsika. Aza mitebiteby momba an’i Tôbià ianao, ry vady malalako, fa efa ho tonga izy. |