Tôbita 10:13 - Baiboly Katolika rehefa avy nohafatrafarany tsara hanaja rafozana, ho tia vady, ho tsara fitondra fianakaviana, hizaka tokantrano, ary hitahiry tena tsy hanan-tsiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Ednà kosa niteny tamin’i Tôbià hoe: –Ry zanako mamiko sy lalaiko, ny Tompo anie homba anao amin’izao fodianao izao! Enga anie ny tenako mba ho ela velona ihany ka ho afaka hahita ny zanakareo sy Sarà, alohan’ny hahafatesako! Vavolombelona miatrika ahy ny Tompo, ka ankiniko aminao ity zanako vavy ity mba hokarakarainao; enga anie tsy hisy hampalahelovanao azy amin’ny androm-piainanao rehetra! Anaka, mandehana ombàm-piadanana. Manomboka izao, ry Tôbià, dia reninao aho ary vady malalanao i Sarà; enga anie isika rehetra hambinin-tsoa amin’ny andro rehetra iainantsika! Dia norohan’i Ednà izy roa kely ary navelany handeha samy finaritra tokoa. |