Tôbita 10:12 - Baiboly Katolika Dia nalain-drainy sy reniny ity zanany vavy ka norohany, dia navelany handeha, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo i Ragoela dia niteny tamin’i Sarà zanany vavy hoe: –Aoka ianao handeha any amin’ny rafozan-dahinao! Aminao, manomboka izao, ny ray aman-drenin’ny vadinao dia ho toy ny ray aman-dreninao koa. Anaka, mandehana ombàm-piadanana; ary enga anie zavatra tsara no ho reko momba anao, raha mbola velona koa aho. Dia nataon’i Ragoela veloma izy roa kely ary navelany handeha. |