Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Titosy 2:5 - Baiboly Katolika

hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

hahafehy tena, hadio toetra, hahakojakoja tokantrano, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hanevateva ny tenin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

hahafehy tena, hadio toetra, hahakojakoja tokantrano, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hanevateva ny tenin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.

Jereo ny toko



Titosy 2:5
22 Rohy Ifampitohizana  

Raha efa izany dia hoy ireo taminy: «Aiza i Sarà vadinao?» Hoy ny navaliny: «Ao an-day ao izy.»


Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: «Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.»


Nefa nampanesoinao an’i Iaveh ny fahavalony tamin’izany zavatra nataonao izany; ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao.»


Mandra-pahoviana, ry Andriamanitra, no haniratsiran’ny mpampahory, sy hanevatevan’ny fahavalo tsy an-kijanona ny Anaranao?


Mihavatravatra tsy azo atao amin’ahoana, tsy mahapetraka an-trano ny tongony;


Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.


Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin’ny efitra ambony, ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.


Ary aoka ny soa azonao tsy hampiteny ratsy ny sasany.


satria noho ianareo ihany no itenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentily, araka ny lazain’ny Soratra Masina.


Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ny lehilahy lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.


Araka ny fanao amin’ny Eglizin’ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrify azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan’ny Lalàna koa izany.


Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.


Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo.


tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.


Ny mpanompo rehetra ao ambany jiogan’ny sasany, dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tokoa, mba tsy ho voateny ratsy ny Anaran’Andriamanitra sy ny fampianarany.


mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany,