Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 4:17 - Baiboly Katolika

Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy nanao hoe: «nahazo zazalahy i Nôemì», ka nataony hoe Obeda, no anarany. Izy no rain’i Isaia, rain’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanome anarana azy ny vehivavy namany ka niteny hoe: Misy zazalahy teraka ho an’i Naomy! Ary ny anarany dia nataony hoe Obeda. Izy no rain’i Jese, rain’i Davida.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny vehivavy mpiara-monina kosa no nanome ny anarany, fa hoy ireo hoe: «Zazalahy no naterak’i Rota ho an’i Nahômỳ!»; koa ny anarany dia nantsoin’ireo hoe Hôbeda: Izy no rain’i Jisay izay rain’i Davida.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny vehivavy mpiara-monina kosa no nanome ny anarany, fa hoy ireo hoe: «Zazalahy no naterak’i Rota ho an’i Nahômỳ!»; koa ny anarany dia nantsoin’ireo hoe Hôbeda: Izy no rain’i Jisay izay rain’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’i Jese, rain’i Davida.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanome anarana azy ny vehivavy namany ka niteny hoe: Misy zazalahy teraka ho an’i Naomy! Ary ny anarany dia nataony hoe Obeda. Izy no rain’i Jese, rain’i Davida.

Jereo ny toko



Rota 4:17
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia noraisin’i Nôemì ny zaza ka nataony teny an-trotroany, ary izy no nitaiza azy.


Izao no taranak’i Faresa niteraka an’i Esrôna: I Esrôna niteraka an’i Arama, i Arama niteraka an’i Aminadaba, i Aminadaba niteraka an’i Nahasôna, i Nahasôna niteraka an’i Salmôna, i Salmôna niteraka an’i Booza, i Booza niteraka an’i Obeda, i Obeda niteraka an’i Isaia, i Isaia niteraka an’i Davida.


Ka hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Mandra-pahoviana no hitomanianao an’i Saola, kanefa Aho manary azy tsy ho mpanjaka amin’i Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Isaï any Betlehema ianao, satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako».


Ary i Davida dia zanak’ilay Efrateanina, tany Betlehema any Jodà, atao Isaï, izay nanan-janaka valo lahy. Ary lehilahy efa anti-panahy ihany izy sy efa nandroso fahanterana tamin’ny andron’i Saola.