Ary hoy kosa izy: «Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazony.» Dia nohazoniny ka namatra orja inenin’ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.
Rota 3:16 - Baiboly Katolika Nony tonga tany amin-drafozany i Rota, dia hoy i Nôemì: «Inona no nataonao, anaka?» Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tonga tany amin’ny rafozambaviny i Rota dia hoy i Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dRalehilahy taminy. DIEM PROTESTANTA ary nony tonga tany amin’ny rafozambaviny izy, dia nanontaniany hoe: –Nanao ahoana ianao tany, anaka? Dia notantarain’i Rota azy avokoa izay nataon’i Bôhaza taminy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary nony tonga tany amin’ny rafozambaviny izy, dia nanontaniany hoe: –Nanao ahoana ianao tany, anaka? Dia notantarain’i Rota azy avokoa izay nataon’i Bôhaza taminy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tonga tany amin’ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy. Malagasy Bible Ary rehefa tonga tany amin'ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy. La Bible en Malgache Rehefa tonga tany amin’ny rafozambaviny i Rota dia hoy i Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dRalehilahy taminy. |
Ary hoy kosa izy: «Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazony.» Dia nohazoniny ka namatra orja inenin’ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.
«Ary nomeny ity orja inenin’ny famarana ity koa aho, hoy izy, nataony hoe: Tsy hody any amin-drafozanao mitondra tanam-polo fotsiny ianao».