Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Rota 1:20 - Baiboly Katolika Dia hoy izy tamin’ireo: «Aza atao hoe Nôemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon’i Iaveh safotry ny mangidy aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara satria mangidy loatra ny nataon’ny Tsitoha tamiko. DIEM PROTESTANTA fa novalian’i Nahômỳ hoe: –Aoka aho tsy antsoinareo intsony hoe Nahômỳ, ilay sambatra; fa aoka antsoinareo hoe Marà, ilay ory, satria Andriamanitra Tsitoha efa nampahory ahy loatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa novalian’i Nahômỳ hoe: –Aoka aho tsy antsoinareo intsony hoe Nahômỳ, ilay sambatra; fa aoka antsoinareo hoe Marà, ilay ory, satria Andriamanitra Tsitoha efa nampahory ahy loatra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon’ny Tsitoha amiko. Malagasy Bible Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon'ny Tsitoha amiko. La Bible en Malgache Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara satria mangidy loatra ny nataon’ny Tsitoha tamiko. |
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hampahita fitia anareo eo imason-dralehilahy, mba havelany hody miaraka aminareo ilay rahalahinareo anankiray, sy i Benjamina. Ary ny amiko raha anjarako ny hofoanana anaka dia aoka ihany ho foana anaka aho.»
Mihambo hanakatra ny halalinan’Andriamanitra va ianao, sy hahatratra ny fahalavorarian’ny Tsitoha?
dia mba fantaro kosa fa Andriamanitra no mampahory ahy, sy manarona ahy amin’ny fandrika haratony.
Sambatra ny olona faizan’Andriamanitra! ka aza atao tsy ho zavatra ny fanitsian’ny Tsitoha.
Fa ny zana-tsipìkan’ny Tsitoha no manindrona ahy, ary ny poizina amin’ireo, fohin’ny fanahiko; ny fampitahoran’Andriamanitra tafalahatra hiady amiko.
Nony tonga tao Marà izy ireo tsy nahasotro ny rano tao Marà fa nangidy ny rano, ka izany no niantsoana io fitoerana io hoe Marà.
Efa niseho tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Aho; fa mbola tsy nanambara Ahy taminy Aho araka ny Anarako hoe Iaveh.
Tsy niteny tsy nivolana aho, mandra-pahamarain’ny andro. Nanapatapaka ny taolako rehetra toy ny liona izy; hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina dia hotaperinao ny aiko!
Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy.
Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.
Tsy nahita Tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak’ondry no Tempoliny.