Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Romana 9:2 - Baiboly Katolika

fa malahelo mafy aho, ory lalandava ny foko,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mafy ny alaheloko ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ny foko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

fa mafy ny alaheloko ary tsy mitsahatra ny fahorian’ny foko;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

fa mafy ny alaheloko ary tsy mitsahatra ny fahorian’ny foko;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ny foko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mafy ny alaheloko ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ny foko.

Jereo ny toko



Romana 9:2
15 Rohy Ifampitohizana  

Mandrotsa-dranomaso mandriaka ny masoko, noho ny tsy fitandreman’ny olona ny lalànao.


Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy. Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, ianareo nitomany azy;


Raha tsy mihaino izany ianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.


Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.


Ianareo rehetra izay mandeha amin’ny lalana, jereo ka mahità, raha mba misy fahoriana toy izao manjò ahy izao, dia izaho izay nokapohin’i Iaveh, tamin’ny andron’ny fahatezerany mirehitra.


Mampidi-pahoriana amin’ny fanahiko ny masoko, noho ny amin’ireto zanaka vavin’ny tananako rehetra.


ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»


Ry hava-malala, ny irin’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireo, dia ny hahazoany famonjena.


Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho, ka tsy mandainga, ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,


satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako, hamonjeko ny rahalahiko, izay havako araka ny nofo,


Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.


Ary ny Vavolombeloko roa, dia homeko hery haminany enimpolo amby roan-jato sy arivo andro; akanjo malailay no hiakanjoany.


Tsy nahita an’i Saola intsony i Samoela mandra-pahafatiny. Nitomany an’i Saola i Samoela satria nanenina i Iaveh tamin’ny nananganany azy ho mpanjaka amin’i Israely.