Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Romana 4:9 - Baiboly Katolika

Ary izany hasambarana izany ve, an’ny voafora ihany, sa an’ny tsy voafora koa?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa izany fahasambarana izany, moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa? Satria lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ho an’iza moa izany fahasambarana izany? Ho an’ny voafora ve sa ho an’ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan’Andriamanitra an’i Abrahama ho marina.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ho an’iza moa izany fahasambarana izany? Ho an’ny voafora ve sa ho an’ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan’Andriamanitra an’i Abrahama ho marina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa izany fahasambarana izany moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa izany fahasambarana izany, moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa? Satria lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama.

Jereo ny toko



Romana 4:9
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary nino an’i Iaveh i Abrama, ka neken’i Iaveh ho fahamarinany izany.


Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»


dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao.»


Voalazantsika fa ny finoana dia notanana ho fahamarinan’i Abrahama. Oviana àry no nitanana izany? Tamin’izy efa voafora ve, sa fony izy mbola tsy voafora? Tsy tamin’izy efa voafora tsy akory, fa fony izy mbola tsy voafora.


Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: «Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinana.»


mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.


Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,


ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.