Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.
Romana 3:12 - Baiboly Katolika samy nania avokoa izy rehetra; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza» (Sal 14.1-3). DIEM PROTESTANTA Be siasia avokoa izy rehetra ary samy tsy misy antony; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Be siasia avokoa izy rehetra ary samy tsy misy antony; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.» Baiboly Protestanta Malagasy Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza’’ (Sal. 14.1-3). Malagasy Bible Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3). La Bible en Malgache Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza» (Sal 14.1-3). |
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.
Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
Mijery ny zanak’olombelona eny an-tampon’ny lanitra, Andriamanitra. Mba hahita raha misy olona manan-tsaina eny; na misy olona mitady an’Andriamanitra.
Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombàny; nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: ‹Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.› »
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Tsy mahalala ny lalan’ny fiadanana izy; ary tsy mba misy hitsiny eo amin’ny lalany; fa lala-miolakolaka no soritany haleha, ka izay mandia izany tsy mahita fiadanana.
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.
Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.› »
Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony;
Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa no toetranay rehetra fony izahay nanaraka ny filàn’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany.
izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia ianao sy izaho.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.