Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 9:20 - Baiboly Katolika

Toy izany koa raha andro vitsy foana no nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana; didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indraindray dia andro vitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely ka araka ny didin’NY TOMPO ihany no nitobiany, ary araka ny didin’NY TOMPO koa no niaingany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indraindray dia andro vitsivitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny Fonena-masina, koa baikon’ny TOMPO ihany no itobiany, ary baikon’ny TOMPO ihany no iaingany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indraindray dia andro vitsivitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny Fonena-masina, koa baikon’ny TOMPO ihany no itobiany, ary baikon’ny TOMPO ihany no iaingany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely; araka ny didin’i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin’i Jehovah no niaingany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indraindray dia andro vitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely ka araka ny didin’NY TOMPO ihany no nitobiany, ary araka ny didin’NY TOMPO koa no niaingany.

Jereo ny toko



Nomery 9:20
8 Rohy Ifampitohizana  

Jereo tsara ny mandany; diniho ireo lapany, hitantarana azy amin’ny taranaka ho avy.


Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany.


Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.


Izany no niaingany voalohany araka ny didin’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.


Didy avy amin’i Iaveh no niaingan’ny zanak’i Israely nifindrany toby; didy avy amin’i Iaveh no nitobiany; ary naharitra nitoby teo izy mandritra izay nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana.


Raha nipetraka ela teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka tsy nifindra.


Raha nipetraka hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ny rahona, ary niakatra nony maraina, dia niainga izy ireo, na raha afaka indray andro sy indray alina, vao niakatra ny rahona, dia niainga izy ireo.


Aza mivadi-po amin’izy ireo, fa eo afovoanao i Iaveh Andriamanitrao, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.