Niala tao an’efitra Sina ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny dia nandidian’i Iaveh azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka.
Nomery 9:18 - Baiboly Katolika Didy avy amin’i Iaveh no niaingan’ny zanak’i Israely nifindrany toby; didy avy amin’i Iaveh no nitobiany; ary naharitra nitoby teo izy mandritra izay nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Araka ny didin’NY TOMPO no niaingan’ny Zanak’Israely, ary araka ny didin’NY TOMPO koa no nitobiany; tamin’ny fotoana rehetra izay nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely no nitobiany. DIEM PROTESTANTA Baikon’ny TOMPO izany no iaingan’ny Israelita ary baikon’ny TOMPO koa no itobiany; fa arakaraka ny nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny Fonena-masina no nitobiany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Baikon’ny TOMPO izany no iaingan’ny Israelita ary baikon’ny TOMPO koa no itobiany; fa arakaraka ny nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny Fonena-masina no nitobiany. Baiboly Protestanta Malagasy Araka ny didin’i Jehovah no niaingan’ny Zanak’Isiraely, ary araka ny didin’i Jehovah koa no nitobiany; tamin’ny andro rehetra izay nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely no nitobiany. Malagasy Bible Araka ny didin'i Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa no nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely no nitobiany. La Bible en Malgache Araka ny didin’NY TOMPO no niaingan’ny Zanak’Israely, ary araka ny didin’NY TOMPO koa no nitobiany; tamin’ny fotoana rehetra izay nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely no nitobiany. |
Niala tao an’efitra Sina ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny dia nandidian’i Iaveh azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka.
Toy izany ihany hatrany hatrany: ny rahona nanarona ny Fonenana ary nitarehin’afo izy amin’ny alina.
Raha nipetraka ela teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka tsy nifindra.
Toy izany koa raha andro vitsy foana no nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana; didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany.
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa tambanin’ny rahona ny razantsika rehetra; namaky ny ranomasina izy rehetra;
Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin’ny fitiavana.