«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo, na amin’ny taranakareo, maloto am-paty na lasa nivahiny an-tany lavitra, dia hanao ny Paka ho hajan’i Iaveh izy;
Nomery 9:11 - Baiboly Katolika amin’ny andro faha 14n’ny volana faharoa kosa, amin’ny àty takariva no hanaovany azy: mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy no hiara-kohaniny aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana faharoa no hitandremany azy; ampombaina ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. DIEM PROTESTANTA saingy ny harivan’ny andro faha-14 amin’ny volana faharoa kosa no hankalazany izany. Hihinana ny zanak’ondry miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anana mangidy izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara saingy ny harivan’ny andro faha-14 amin’ny volana faharoa kosa no hankalazany izany. Hihinana ny zanak’ondry miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anana mangidy izy. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin’ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. Malagasy Bible Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. La Bible en Malgache Amin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana faharoa no hitandremany azy; ampombaina ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. |
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo, na amin’ny taranakareo, maloto am-paty na lasa nivahiny an-tany lavitra, dia hanao ny Paka ho hajan’i Iaveh izy;
Amin’ny fotoana voatendry, amin’ny andro faha 14n’ity volana ity, amin’ny àty takariva no hanaovanareo azy: io no fotoana voatendry; ataonareo izany araka ny lalàna amam-pitsipika rehetra momba azy.»
Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza.»
Aza mihinana mofo misy lalivay miaraka amin’ireo sorona ireo, fa mofo tsy misy lalivay no hano mandritra ny hafitoana, dia mofom-pahoriana, satria tamim-pahamaikana no nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, mba hahatsiarovanao ny andro nivoahanao tany Ejipta, amin’ny andro rehetra iainanao.