Ny lovia kely volamena 12, feno zava-manitra, dia samy 10 sikla avy, araka ny sikla masina; 120 sikla no totalin’ny volamenan’ny lovia kely.
Nomery 7:87 - Baiboly Katolika Ny totalin’ny biby hatao sorona, dia vantotr’ombalahy 12; ondralahy 12 sy zanak’ondry 12, efa iray taona, mbamin’ny fanatitra momba azy; osy lahy 12, hatao sorona noho ny ota; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny biby rehetra izay hatao fanatitra dorana manontolo dia vantotra ombilahy roa amby folo, ondrilahy roa amby folo, zanak’ondry roa amby folo izay iray taona, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy, ary osilahy roa amby folo ho fanatitra noho ny ota. DIEM PROTESTANTA Ireo biby rehetra natao sorona dorana manontolo dia vantotr’ombilahy 12, ondrilahy 12, ondrilahikely 12 izay iray taona avy miaraka amin’ny fanatitra momba azy; osilahy 12 no natao sorona fanalana ny ota. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo biby rehetra natao sorona dorana manontolo dia vantotr’ombilahy 12, ondrilahy 12, ondrilahikely 12 izay iray taona avy miaraka amin’ny fanatitra momba azy; osilahy 12 no natao sorona fanalana ny ota. Baiboly Protestanta Malagasy Ny isan’ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr’ombilahy roa ambin’ny folo, ondrilahy roa ambin’ny folo, zanak’ondry roa ambin’ny folo, izay samy iray taona, mbamin’ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin’ny folo ho fanatitra noho ny ota. Malagasy Bible Ny isan'ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo, ondrilahy roa ambin'ny folo, zanak'ondry roa ambin'ny folo, izay samy iray taona,'mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota. La Bible en Malgache Ny biby rehetra izay hatao fanatitra dorana manontolo dia vantotra ombilahy roa amby folo, ondrilahy roa amby folo, zanak’ondry roa amby folo izay iray taona, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy, ary osilahy roa amby folo ho fanatitra noho ny ota. |
Ny lovia kely volamena 12, feno zava-manitra, dia samy 10 sikla avy, araka ny sikla masina; 120 sikla no totalin’ny volamenan’ny lovia kely.
Ny totalin’ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby 24, ondralahy 60, osy lahy 60, ary zanak’ondry efa iray taona 60. Ireo no fanomezana naterina tamin’ny fitokanana ny ôtely, nony efa voahosotra izy.