Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 7:2 - Baiboly Katolika

dia nanatitra ny fanatiny ny lehibe amin’i Israely izay filohan’ny isam-pokony avy; izy ireo no filohan’ny isam-poko izay nitarika ny fanisana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitondra fanatitra ireo lohan’ny firenen’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana isanisany; ireo no lohan’ny fokony avy, izay nifehy ny voaisa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia niroso ireo filoham-pianakaviambe tamin’ny fokon’i Israely, izany hoe ireo nitarika ny fanisana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia niroso ireo filoham-pianakaviambe tamin’ny fokon’i Israely, izany hoe ireo nitarika ny fanisana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia nitondra fanatitra ny lohan’ny firenen’ny Isiraely, dia ny lohan’ny fianakaviana (ireo no lohan’ny firenena, izay nifehy ny voalamina).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia nitondra fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitondra fanatitra ireo lohan’ny firenen’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana isanisany; ireo no lohan’ny fokony avy, izay nifehy ny voaisa.

Jereo ny toko



Nomery 7:2
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany novorin’i Salômôna tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon’i Israely, sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian’ny zanak’i Israely, mba hamindra ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna.


Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitrapo ho an’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. I Helkiasa, i Zakariasa ary i Jahiela, filohany ao an-tranon’i Iaveh, nanome zanak’ondry 2.600 sy omby 300, ho an’ny mpisorona, hanaovana ny Paka.


Ny loholona kosa nitondra vato berila ary vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra,


Niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy araka izay rehetra nandidian’i Iaveh azy.


Dia noraisin’i Môizy sy i Eleazara mpisorona izany volamena izany, tamin’izy ireo, izany firavaka rehetra tsara tefy izany.