Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.
Nomery 6:20 - Baiboly Katolika dia hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehan’i Iaveh ireo. Zava-masina anjaran’ny mpisorona izany, fanampin’ny tratra ahevaheva, sy ny fe avahana koa. Aorian’izany, dia mahazo misotro divay ny nazareàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hataon’ny mpisorona fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO ireo; masina ho an’ny mpisorona izany, ho fanampin’ny tratrany nasandratra sy ny feny nalaina avy amin’ny fanatitra; aorianan’izany kosa dia mahazo misotro divay ny Nazirita. DIEM PROTESTANTA Dia hasehon’ny mpisorona amin’ny TOMPO ireo sady hahevahevany ho fanolorana azy; zava-masina miverina amin’ny mpisorona ihany izany, fanampin’ny tratra nahevahevany sy ny fen’ondry navahany. Rehefa izany vao mahazo misotro divay indray ilay nazirita afa-boady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hasehon’ny mpisorona amin’ny TOMPO ireo sady hahevahevany ho fanolorana azy; zava-masina miverina amin’ny mpisorona ihany izany, fanampin’ny tratra nahevahevany sy ny fen’ondry navahany. Rehefa izany vao mahazo misotro divay indray ilay nazirita afa-boady. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hahevahevan’ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Jehovah; ho masina izany ho an’ny mpisorona ho fanampin’ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita. Malagasy Bible Dia hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita. La Bible en Malgache Dia hataon’ny mpisorona fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO ireo; masina ho an’ny mpisorona izany, ho fanampin’ny tratrany nasandratra sy ny feny nalaina avy amin’ny fanatitra; aorianan’izany kosa dia mahazo misotro divay ny Nazirita. |
Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.
Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.
Hoentin’izy ireo ho fanampin’ny sabora voatokana hodorana amin’ny afo, ny feny avahana sy ny tratrany ahevaheva, mba hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh; dia ho anjaranao sy ny zanakao izany, noho ny lalàna tsy tapaka araka ny didin’i Iaveh.»
Hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.
Hitondra ao an-tanany izay tsy maintsy haterina atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh, izy, dia hitondra ny sabora mbamin’ny tratrany, ka ny tratrany hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh;
ny sabora hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely; ary ny tratrany dia ho an’i Aarôna mbamin’ny zanany.
Omeo ny mpisorona koa ny feny ankavanana, ho fanatitra nalaina avy amin’ny sorom-pihavananareo.
Fa efa natokako avy amin’ny sorom-pihavanan’ny zanak’i Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotra ho an’i Aarôna sy ny zanany ho anjara asain-kaloan’ny zanak’i Israely ho azy hatrany hatrany.
Raha efa izany dia nahevahevan’i Aarôna teo anatrehan’i Iaveh ny tratran’ireo amam-peny havanana, ho fanatitra ahevaheva, araka ny nandidian’i Môizy.
Fa toy ny mpiady mahery, ry zareo Efraima, hifaly toy ny fifaliana amin’ny divay ny fony; hahita izany ireo zanany, ka hiravoravo, ary hientan-kafaliana amin’i Iaveh ny fon’izy ireo!
Harovan’i Iavehn’ny tafika izy ireo; ka handevona, hanitsakitsaka ny vaton’antsamotady, hisotro, hihavatràvatra toy ny azon-divay, ary ho feno toy ny kapoaka fisoronana, toy ny tandroky ny ôtely.
Endrey izany fandrosoana, endrey izany hatsaran-tarehin’izy ireo! Ny vary, hampitombo ny zatovo, ary ny divay vaovao, hampitombo ny virjiny.
«Dia halain’ny mpisorona ny fanati-piahiahiana teny an-tanan-dravehivavy ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh sy hoentiny eo akaikin’ny ôtely.
«Izany no lalàna ny amin’ny nazareàna izay nivoady, izany no fanatiny ho an’i Iaveh amin’ny maha nazareàna azy, afa-tsy izay azony atao araka ny ananany. Araka ny voady nataony no hanatanterahany ny lalàna ny amin’ny maha nazareàna azy.»
Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin’itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony Aho, ambara-piavin’izay andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin’ny fanjakan’ny Raiko.»
Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.»
Vao nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe: «Tanteraka ny zavatra rehetra.» Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.