Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 36:13 - Baiboly Katolika

Ireo no didy aman-dalàna nomen’i Iaveh ny zanak’i Israely tamin’ny alalan’i Môizy, teo an-tany lemak’i Moaba, amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’NY TOMPO ka nampitondrainy an’i Mosesy ho amin’ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ireo no didy amam-pitsipika nomen’ny TOMPO ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo no didy amam-pitsipika nomen’ny TOMPO ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’i Jehovah ka nampitondrainy an’i Mosesy ho amin’ny Zanak’Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian'i Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’NY TOMPO ka nampitondrainy an’i Mosesy ho amin’ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.

Jereo ny toko



Nomery 36:13
12 Rohy Ifampitohizana  

Izany no lalàna momba ny biby mandia tongotra efatra, ny vorona, ny zava-miaina rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, ary izay rehetra mandady amin’ny tany,


Izany no lalàna momba ny fery habokana amin’ny fitafiana volon’ondry na rongony, ny kofehy natao tenany na fahany, ary ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, mba hilazana azy hoe madio na maloto.


Ireo no didy amam-pitsipika ary lalàna nataon’i Iaveh ho fifaneken’ny Tenany sy ny zanak’i Israely tao an-tendrombohitra Sinaia, tamin’ny alalan’i Môizy.


Ireo no didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ho an’ny zanak’i Israely, tao an-tendrombohitra Sinaia.


Dia nandroso ny zanak’i Israely ka nitoby tao amin’ny lohasahan’i Moaba, tandrifin’i Jerikao.


Dia nilaza tamin’ny olona i Môizy sy i Eleazara mpisorona, tao amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, ka nanao hoe:


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tao amin’ny tany lemak’i Moaba amoron’i Jordany tandrifin’i Jerikô nanao hoe:


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh tao an-tany lemak’i Moaba amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikao nanao hoe:


nanambady teo amin’ny fianakavian’ny zanak’i Manase zanak’i Josefa izy ireo, ka dia nipetraka tamin’ny fokom-pianakavian-drainy ny lovany.