Nony tonga tao amin’ny lohasaha Eskôla izy ireo dia nanapaka rantsam-boaloboka iray nisy sampahony, ka roa lahy izy no nilanja an’io tamin’ny hazo lava; naka ampongabendanitra sy aviavy koa izy.
Nomery 32:9 - Baiboly Katolika Niakatra hatrany an-dohasahan’i Eskôla izy ary nahita ny tany, dia nampiketraka ny zanak’i Israely tsy hiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ireo ka nahita ny tany dia nanakivy ny fon’ny Zanak’Israely mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay efa nomen’NY TOMPO azy. DIEM PROTESTANTA Fa raha tonga tao an-dohasahan’i Eskôla izy ka nahita ny tany, dia nanakivy ny Israelita mba tsy hankanesany any amin’ny tany izay nomen’ny TOMPO azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha tonga tao an-dohasahan’i Eskôla izy ka nahita ny tany, dia nanakivy ny Israelita mba tsy hankanesany any amin’ny tany izay nomen’ny TOMPO azy. Baiboly Protestanta Malagasy fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon’ny Zanak’Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay efa nomen’i Jehovah azy. Malagasy Bible fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay efa nomen'i Jehovah azy. La Bible en Malgache Rehefa niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ireo ka nahita ny tany dia nanakivy ny fon’ny Zanak’Israely mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay efa nomen’NY TOMPO azy. |
Nony tonga tao amin’ny lohasaha Eskôla izy ireo dia nanapaka rantsam-boaloboka iray nisy sampahony, ka roa lahy izy no nilanja an’io tamin’ny hazo lava; naka ampongabendanitra sy aviavy koa izy.
Noho ny sampahom-boaloboka notapahin’ny zanak’i Israely teo, dia nomena anarana hoe Lohasahan’i Eskôla io fitoerana io.
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.