Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana izay homeko anareo ho fanananareo ianareo, raha asiako fery habokana ny trano anankiray amin’ny tany hanananareo,
Nomery 32:32 - Baiboly Katolika Handeha mitam-piadiana izahay ho any amin’ny tany Kanaana eo anatrehan’i Iaveh, ary ho raikitra atỳ andafin’i Jordany ny anjara fananana ho lovanay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Handeha hita eo anatrehan’NY TOMPO ho any amin’ny tany Kanana izahay, fa samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ andafin’i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zaratany. DIEM PROTESTANTA Handray fiadiana izahay ka hitsofoka ao amin’ny tany Kanahàna araka ny fifehezan’ny TOMPO, mba ho atỳ an-dafy atsinanan’i Jôrdàna atỳ no hahazoanay zara tany ho fananany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Handray fiadiana izahay ka hitsofoka ao amin’ny tany Kanahàna araka ny fifehezan’ny TOMPO, mba ho atỳ an-dafy atsinanan’i Jôrdàna atỳ no hahazoanay zara tany ho fananany. Baiboly Protestanta Malagasy izahay handeha hita eo anatrehan’i Jehovah ho any amin’ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin’i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany. Malagasy Bible Izabay handeha hita eo anatrehan'i Jehovah ho any amin'ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin'i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany. La Bible en Malgache Handeha hita eo anatrehan’NY TOMPO ho any amin’ny tany Kanana izahay, fa samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ andafin’i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zaratany. |
Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana izay homeko anareo ho fanananareo ianareo, raha asiako fery habokana ny trano anankiray amin’ny tany hanananareo,
Fa tsy hiara-mandray zaratany aminy any an-dafin’i Jordany izahay, na any ankoatran’izany, fa efa azonay atỳ an-dafin’i Jordany atỳ atsinanana ny anjara lovanay.»
Dia namaly ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: «Hataonay izay nolazain’i Iaveh tamin’ny mpanomponao.
Dia nomen’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase zanak’i Josefa, ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, sy ny fanjakan’i Oga mpanjakan’i Basàna, dia ny tany mbamin’ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin’ny tany manodidina.
Samy efa naka ny anjara lovany atỳ an-dafin’i Jordany hitsin’i Jerikô amin’ny lafiny any atsinanana, amin’izay hiposahan’ny masoandro, ny foko roa sy ny antsasa-poko.
Izao no teny nataon’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely rehetra tany an-dafin’i Jordany tany an’efitra, tany Arabaha, tandrifin’i Sofa, anelanelan’i Faràna, i Tofela, i Labàna, i Haserôta sy i Di-Zahaba.
Koa tandremo àry ny tenin’ity fanekena ity, ary araho izy, mba hahomby ianareo, amin’izay rehetra hataonareo.
Dia azontsika tamin’izay, izany tany izany. Nomeko ny Robenita sy ny Gadita ny hatrany Arôera izay manerinerina amin’ny lohasahan’i Arnôna sy ny antsasaky ny tendrombohitr’i Galaada mbamin’ny tanànany.
Ireto no mpanjakan’ny tany resin’ny zanak’i Israely, ary nalainy ny taniny any an-dafin’i Jordany any atsinanana, hatramin’ny ranon-driakan’i Arnôna ka hatramin’ny tendrombohitra Hermôna, sy ny Arabaha manontolo any atsinanan’ny ony:
I Môizy mpanompon’i Iaveh sy ny zanak’i Israely no nandresy an’ireo; ary ny Robenita sy ny Gadita, mbamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase no nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh ny tanin’izy ireo mba ho fananany.