Nomery 32:24 - Baiboly Katolika Aoreno àry ny tanàna ho an’ny zanakareo sy ny vala ho an’ny biby fiompinareo dia tanteraho koa ny teny naloaky ny vavanareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manorena tanàna ho an’ny zanakareo madinika sy vala ho an’ny ondry aman’osinareo ka ataovy izay naloaky ny vavanareo. DIEM PROTESTANTA Manaova tanàna ho an’ny fianakavianareo ary vala ho an’ny ondry aman’osinareo; nefa tanteraho izay fampanantenana naloaky ny vavanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Manaova tanàna ho an’ny fianakavianareo ary vala ho an’ny ondry aman’osinareo; nefa tanteraho izay fampanantenana naloaky ny vavanareo. Baiboly Protestanta Malagasy Manaova tanàna ho an’ny zanakareo madinika sy vala ho an’ny ondry aman-osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo. Malagasy Bible Manaova tanàna ho an'ny zanakareo madinika sy vala ho an'ny ondry aman'osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo. La Bible en Malgache Manorena tanàna ho an’ny zanakareo madinika sy vala ho an’ny ondry aman’osinareo ka ataovy izay naloaky ny vavanareo. |
Dia nanakaiky an’i Môizy izy ireo, ka nanao hoe: «Hanao vala ho an’ny biby fiompinay eto izahay, sy tanàna ho an’ny zanakay madinika,
Niteny tamin’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: «Izay nodidian’ny tompoko, dia hataon’ny mpanomponao.