Nony efa nandresy an’i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sôdôma hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, dia ny lohasahan’ny mpanjaka izany.
Nomery 31:13 - Baiboly Katolika Nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny lohany rehetra amin’ny fiangonana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona mbamin’ny lohan’ny fiangonana rehetra dia nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby. DIEM PROTESTANTA Nivoaka nitsena azy teo ivelan’ny toby i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan’ny fiangonana rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nivoaka nitsena azy teo ivelan’ny toby i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan’ny fiangonana rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan’ny toby. Malagasy Bible Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby. La Bible en Malgache Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona mbamin’ny lohan’ny fiangonana rehetra dia nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby. |
Nony efa nandresy an’i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sôdôma hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, dia ny lohasahan’ny mpanjaka izany.
Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin’izay noraran’i Iaveh Andriamaniny tsy hatao, ka tonga meloka tamin’izany,
dia nentiny ny sambotra, ny zavatra voaroba sy ny babo ho any amin’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’i Israely rehetra teo an-toby, teo an-dohasahan’i Moaba, akaikin’i Jordany tandrifin’i Jerikô.
Ary tezitra i Môizy tamin’ny mpitari-tafika, dia ireo tomponarivo sy tompon-jato, avy any amin’ny ady.
«Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.
Nifoha maraina koa i Samoela hitsena an’i Saola, dia nisy nilaza tamin’i Samoela hoe: «Tany Karmela i Saola nanangana tsangam-bato ho azy, ary avy eo izy dia niverina dia nandroso lavidavitra sy nidina nankany Galgalà».
Niverina i Davida nankany amin’izy roan-jato lahy izay reraka loatra ka tsy afa-nanaraka an’i Davida ka najanona tao amin’ny ranon-driaka Besôra, dia nitsena an’i Davida sy ny vahoaka izay niaraka taminy izy ireo. Nanatona azy ireo i Davida dia niarahaba azy tamim-pitiavana.