Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 28:5 - Baiboly Katolika

ary ny lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo ôliva voatoto, ampahefatry ny hina, hatao fanatitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo nofiazana ampahefatry ny hina kosa no ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

miaraka amin’ny lafarinina tsara toto telo kilao nofetaina tamin’ny menaka madio iray litatra sy tapany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

miaraka amin’ny lafarinina tsara toto telo kilao nofetaina tamin’ny menaka madio iray litatra sy tapany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

koba tsara toto ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo nofiazana ampahefatry ny hina* kosa no ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry.

Jereo ny toko



Nomery 28:5
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny gômôra dia ampahafolon’ny efah.


Hanatitra koa isa-maraina miaraka amin’izay, fanatitra, dia ampahenin’ny efah, sy diloilo ampahatelon’ny hina, handemana ny lafarina tsara indrindra ho fanolorana ho an’i Iaveh: lalàna maharitra mandrakizay izany.


«Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.


Ny iray amin’ireo zanak’ondry, haterinao ny maraina, ary ny iray haterinao amin’ny àty takariva;


Sorona dorana tsy tapaka izany, izay efa natolotra tao an-tendrombohitra Sinaia, ho hanitra mahafinaritra, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.


Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo ireo, ho fanatitra;