Nomery 25:7 - Baiboly Katolika Vao nahita izany i Finea, zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, dia nitsangana teo afovoan’ny fiangonana; nitondra lefona teny an-tanany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha nahita izany i Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tanany. DIEM PROTESTANTA Raha nahita izany i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara sady zafikelin’i Aharôna mpisorona, dia nitsangana teo anivon’ny Fiangonana ka nandray lefona; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha nahita izany i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara sady zafikelin’i Aharôna mpisorona, dia nitsangana teo anivon’ny Fiangonana ka nandray lefona; Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha nahita izany Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany; Malagasy Bible Ary raha nahita izany Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany; La Bible en Malgache Ary raha nahita izany i Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tanany. |
Notanterahin’ny zanak’i Levì ny didin’i Môizy, ka nahafatesana sahabo ho telo arivo ny lehilahy tamin’ny vahoaka androtr’izay.
I Eleazara, zanaka lahin’i Aarôna, nanambady ny anankiray amin’ny zanaka vavin’i Fotiela, ka izay no niteraka an’i Finea taminy. Ireo no loham-pianakavian’ny Levita araka ny fianakaviany.
Ny fanekeko tamin’i Levi, dia fiainana amam-piadanana, ary nomeko azy izany soa izany; ary fanekem-pahatahorana, ka dia natahotra Ahy, sy nangovitra teo anatrehan’ny Anarako izy.
Dia nalefan’i Môizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy i Finea, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trômpetra mikarantsana.
Nirahin’ny zanak’i Israely ho any amin’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, any amin’ny tany Galaada, i Finea zanak’i Eleazara mpisorona,
ary teo anoloan’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna, tamin’izany andro izany, ary hoy izy ireo hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko ihany va aho sa tokony hitsahatra?» Dia hoy i Iaveh: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao izy rahampitso.»
Tamin’izay tonga tamin’i Soala ilay fanahy ratsy avy tamin’i Iaveh, raha nipetraka tao an-tranony, nitana ny lefony teo an-tanany izy; ka notendren’i Davida tamin’ny tanany ny harpa.