Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.
Nomery 25:14 - Baiboly Katolika Zamarì no anaran’ilay lehilahy Israelita, niara-novonoina tamin-dravehivavy Madianita; zanak’i Salò izy, sady filoham-pianakaviana tamin’ny Simeônita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny anaran’ilay lehilahy israelita novonoina, izay niaraka nolefonina tamin-dRavehivavy midianita, dia Zimry, zanak’i Salo, loham-pianakaviana tamin’ny Simeonita. DIEM PROTESTANTA Ilay Israelita, izay novonoina ho faty niaraka tamin’ilay vehivavy midianîta, dia i Zimrỳ zanakalahin’i Salò sady filoham-pianakaviana simehônita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ilay Israelita, izay novonoina ho faty niaraka tamin’ilay vehivavy midianîta, dia i Zimrỳ zanakalahin’i Salò sady filoham-pianakaviana simehônita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anaran’ilay lehilahy Israelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak’i Salo, lohan’ny fianakaviana tamin’ny Simeonita. Malagasy Bible Ary ny anaran'ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita. La Bible en Malgache Ny anaran’ilay lehilahy israelita novonoina, izay niaraka nolefonina tamin-dRavehivavy midianita, dia Zimry, zanak’i Salo, loham-pianakaviana tamin’ny Simeonita. |
Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.
Nony niala tany Madiàna izy, dia nankany Faràna, ary naka olona avy tao Faràna hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ka nomen’izy io trano i Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany.
Izao kosa no lohan’ny fokon’i Israely: amin’ny Robenita, i Eliezera zanak’i Zekri; amin’ny Simeônita, i Safatiasa zanak’i Maakà;
Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an’i Iaveh, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin’i Iaveh Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly.»
dia ho faneken’ny fisoronana mandrakizay, ho azy sy ny taranany mandimby azy, noho izy saro-piaro ho an’Andriamaniny, sy nanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely.»
Ary Kozbì no anaran’ilay vehivavy Madianita novonoina, zanak’i Sora, filoham-poko, amin’ny fokom-pianakaviana, any Madiàna azy.
12.000 avy amin’ny fokon’i Simeôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Levi; 12.000 avy amin’ny fokon’i Isakara;