Nomery 24:15 - Baiboly Katolika Dia nilaza ny lahateniny i Balaama ka nanao hoe: «Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra, Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nilaza ny oha-teniny izy hoe: Hoy i Balama, zanak’i Beora, dia ny lehilahy izay nampahiratina ny masony; DIEM PROTESTANTA Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahàma: «Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra, teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahàma: «Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra, teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’i Beora, Dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony; Malagasy Bible Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony; La Bible en Malgache Dia nilaza ny oha-teniny izy hoe: Hoy i Balama, zanak’i Beora, dia ny lehilahy izay nampahiratina ny masony; |
Ary i Balaama nilaza ny lahateniny ka nanao hoe: «Mitsangàna, ry Balàka, ka mihainoa, Mampandria sofina, ry zanak’i Sefôra:
ka nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe: «I Balàka nampaka ahy avy tany Arama; Ny mpanjakan’i Moaba nampaka ahy, avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana; Avia, ozòny i Jakôba! Avia, tezera amin’i Israely!
Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra, Izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:
mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe: «Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao.»