Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Nomery 22:32 - Baiboly Katolika Dia hoy ilay Anjelin’i Iaveh taminy: «Ahoana no nikapohanao ny ampondranao intelo izao? Indro nivoaka hisakana anao aho, satria araka ny hitako, lalana mamarina anao amin’ny loza no ombanao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao? Indro Aho no niainga mba hisakana anao satria hitako fa mivarina amin-doza ny lalanao. DIEM PROTESTANTA Fa hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Nahoana no nokapohinao intelo ny borikinao? Tonga aho hisakan-dalana anao, satria heveriko fa mankamin’ny fahaverezana ny dianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Nahoana no nokapohinao intelo ny borikinao? Tonga aho hisakan-dalana anao, satria heveriko fa mankamin’ny fahaverezana ny dianao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Ilay Anjelin’i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo hianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny làlanao. Malagasy Bible Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao. La Bible en Malgache Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao? Indro Aho no niainga mba hisakana anao satria hitako fa mivarina amin-doza ny lalanao. |
Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Izay matahotra an’i Iaveh, mizotra araka ny fahitsiam-po; izay maniratsira azy kosa mivaona fandeha.
Hahita famonjena ny mandeha amin’ny fahamarinana tanteraka, fa ho lavo tsy afa-miarina intsony, ny manaraka lala-miolikolika.
Aleo olo-mahantra ombam-pahamarinana, toy izay olona miolikoli-dalana sy manan-karena.
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany, ary biby be dia be!»
Tsarovy àry, ry vahoakako, ny hevitra nomen’i Balàka, mpanjakan’i Moaba, sy ny navalin’i Balaama, zanak’i Beôra, azy. Tsarovy ny hatrany Setima ka hatrany Galgalà, hahafantaranao ny fahamarinan’i Iaveh.
Nony alina dia tonga tamin’i Balaama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mitsangàna, ka mandehana miaraka aminy, nefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.»
Nirehitra anefa ny hatezeran’Andriamantra raha nandeha izy ka nankeo amin’ny lalana ny Anjelin’i Iaveh hisakana azy. Nitaingina ny ampondrany i Balaama ary narahin’ny mpanompony roa lahy.
Nosokafan’i Iaveh ny vavan’ity ampondra ka nilaza tamin’i Balaama hoe: «Naninona anao aho no dia nokapohinao intelo izao?»
Nahita ahy ny ampondra, ka nitanila teo anatrehako intelo izao; raha tsy nitanila teo anatrehako izy, dia ianao no nataoko maty, fa izy navelako ho velona aina.»
Hoy ny Anjelin’i Iaveh tamin’i Balaama: «Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, nefa aza milaza zavatra hafa afa-tsy izay holazaiko aminao.» Dia nandeha i Balaama, niaraka tamin’ny andriandahin’i Balàka.
sy nanao taminy hoe: «Akay, ry ilay feno fitaka sy hafetsen-dratsy ity, zanaky ny devoly sy fahavalon’ny marina rehetra! Tsy hitsahatra ny hampivily ny lala-mahitsin’ny Tompo va ialahy?
Ny Amônita sy ny Moabita dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh, na dia hatramin’ny taranany fahafolo aza, dia tsy hiditra ny fiangonan’i Iaveh na oviana na oviana; satria tsy tonga nitsena hanina sy rano anareo izy teny an-dalana, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta: sady nampaka sy nanamby vola an’i Balaama, zanak’i Beôra avy any Petôra, any Mesôpôtamia, hanozona anao.