Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 22:29 - Baiboly Katolika

Dia hoy ny navalin’i Balaama tamin’ny ampondra: «Satria namazivazy ahy ianao, ka raha nisy sabatra tetỳ an-tanako dia matiko ankehitriny izao ihany ianao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Balama tamin’ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao! Raha izao no nisy sabatra tetỳ an-tanako dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ka hoy ny navalin’i Balahama azy: –Satria namazivazy ahy ianao; fa raha nisy sabatra tetỳ amiko, dia efa novonoiko ho faty teo no ho eo ihany ianao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka hoy ny navalin’i Balahama azy: –Satria namazivazy ahy ianao; fa raha nisy sabatra tetỳ amiko, dia efa novonoiko ho faty teo no ho eo ihany ianao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Balama tamin’ny boriky: Satria namazivazy ahy hianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tànako, dia matiko mihitsy hianao ankehitriny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Balama tamin'ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Balama tamin’ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao! Raha izao no nisy sabatra tetỳ an-tanako dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.

Jereo ny toko



Nomery 22:29
6 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Labàna: «Aoka àry, dia ho araka izany voalazanao izany.»


Ny marina mitsimbina ny amin’ny bibiny; fa ny kibon’ny ratsy fanahy kosa, masiaka.


Ny adala miseho ho tezitra miaraka amin’izay; fa ny olona malina kosa mahay mody tsy mahita ny fanesoana azy.


Zavatra ratsy anankiray amin’izay rehetra atao atỳ ambany masoandro dia ny itovian’ny olombelona rehetra anjara; ka noho izany dia feno hasomparana ny fon’ny zanak’olombelona. ary ao am-pony mandritra ny andro iainana, ny hadalana. Nony afaka izany, mankany amin’ny maty izy.


Hoy ny ampondra tamin’i Balaama: «Moa tsy ampondranao va aho, ka efa notaingenanao mandrakariva hatramin’izao? Moa mba fanaoko va ny manao toy izao aminao?» Dia hoy ny navaliny: «Tsia»


Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy;