Fa hoy Andriamanitra tamin’i Balaama: «Aza mandeha miaraka amin’ireo, ary aza manozona izany vahoaka izany, fa nohasoavina izy.»
Nomery 22:13 - Baiboly Katolika Nony nifoha i Balaama, ny maraina, dia nilaza tamin’ireo andriandahin’i Balàka hoe: «Mandehana any amin’ny taninareo, fa lavin’i Iaveh ka tsy avelany handeha miaraka aminareo aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nifoha maraina i Balama ka niteny tamin’ireo andriandahin’i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ny taninareo fa tsy avelan’NY TOMPO handeha hiaraka aminareo aho. DIEM PROTESTANTA Ny ampitso maraina, rehefa nifoha i Balahama, dia niteny tamin’ireo olo-manan-kaja nirahin’i Balàka hoe: –Miverena any amin’ny taninareo, fa tsy navelan’ny TOMPO hiaraka aminareo aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny ampitso maraina, rehefa nifoha i Balahama, dia niteny tamin’ireo olo-manan-kaja nirahin’i Balàka hoe: –Miverena any amin’ny taninareo, fa tsy navelan’ny TOMPO hiaraka aminareo aho. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin’ireo andriandahin’i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ny taninareo; fa tsy avelan’i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho. Malagasy Bible Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho. La Bible en Malgache Dia nifoha maraina i Balama ka niteny tamin’ireo andriandahin’i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ny taninareo fa tsy avelan’NY TOMPO handeha hiaraka aminareo aho. |
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Balaama: «Aza mandeha miaraka amin’ireo, ary aza manozona izany vahoaka izany, fa nohasoavina izy.»
Dia nitsangana tamin’izay ireto andriandahin’i Moaba, ka lasa niverina tany amin’i Balàka, sy nilaza taminy hoe: «Nandà i Balaama ka tsy nety nandeha niaraka taminay.»
Saingy tsy nihaino an’i Balaama i Iaveh Andriamanitrao, fa nampody ny fanozonana ho tso-drano ho anao i Iaveh Andriamanitrao, noho ny fitiavan’i Iaveh Andriamanitrao anao.